Index

Proverbs : manam-panahy

Proverb 1Ady amin' adala, ka ny handry no miala. [2.165]
Ady amin’ adala : ny manam-panahy ihany no mandefitra. [2.653]
Ady amin’ adala : ny manam-panahy ihany no miala. [2.653]
Ady amin’ adala : ny manam-panahy no mandefitra. [1.1 #21]
Malagasy interpretationtsy tokony hiala-bara-tena sy handany andro foana hiady amin'ny kely saina ny olon-kendry, fa hihataka amim-pandeferana. [1.1 #21]
French translationDans une dispute avec un imbécile, c' est l' homme sensé qui se retire. [2.165]

Proverb 2Aleo ratsy tarehy manam-panahy handalana, toy izay tarehy soa tsy ampy fiaina. [2.558 #19]

Proverb 3Antsibe atsipy ami-manam-panahy, ka raisin' ny ampy saina. [2.415 #3235]
Antsibe atsipy ami-manam-panahy, ka raisin' ny mpahalala. [2.415 #3235]
Antsibe atsipy ami-manam-panahy, ka raisin' ny mpisaina. [2.415 #3235]
Antsibe atsipin' ny manam-panahy, raisin' ny mpahalala. [2.558 #302]
Antsibe atsipin’ ny mpanam-panahy : raisin’ ny mpahalala. [2.165 #1590, 2.415 #3235, 2.653 #256, 2.974 #317]
Teny atsipy ami-mpanam-panahy, koa raisin' ny mpisaina. [2.653 #3076, 2.974 #332]
Teny atsipin' ny manam-panahy, raisin' ny mpahalala. [2.165 #1589]
Teny atsipin' ny mpanam-panahy, raisin' ny mpahalala. [2.415 #3235]
French translationCognée jetée à qui sait la recevoir et transmise à qui comprend. [2.415 #3235]
Coutelas lancé par un homme intelligent et attrapé au vol par quelqu' un qui comprend. [2.415 #3235]
Grand couteau jeté par un homme intelligent ; c’est à l’homme avisé à s’en servir. [2.974 #317]
Paroles jetées à ceux qui peuvent réfléchir; l’homme sensé s’en saisit. [2.974 #332]
Un conseil donné (litt. jeté) par les sages est reçu par les intelligents. [2.165]
Un grand couteau jeté par un sage est saisi par un clairvoyant. [2.165]
French interpretationA bon entendeur, salut! [2.165]
Le sens est : parole ou pensée suggérée par quelqu' un, et attrapée au vol ; l'expression se disait aussi d' un conseil écouté attentivement. [2.415 #3235]
Se disait des mots d' ordre ou des secrets confiés à des personnes sûres, qui comprennent leur portée et l' usage à en faire. [2.415 #3235]

Proverb 4Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby; atsipy ny teny any am-pon' ny manam-panahy. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza fa ny olon-kendry dia mora mahazo ny teny atao aminy, na fananarana izany na torohevitra. [1.1]

Proverb 5Ny manam-panahy mody voky, fa ny adala homana ny anjaran’ ny sasany. [2.653]
Ny manam-panahy mody voky, fa ny adala mandrapaka ihany. [2.974 #386, 2.653]
French translationL’homme sensé sait s’arrêter à temps ; l’insensé engouffre sans retenue. [2.974 #386]

Proverb 6Tsy rangasina karaha ramiavona, tsy hotronina karaha ramy ny olombelona fa izay manam-panahy ray aman-drenin’ olona. [1.147 #T159]

Proverbs : manam-pañahy

Proverb 1Tsy hotroñina karaha ñy ara-my, ary tsy rangaina karaha ñy ramihavoña, fa izañy manam-pañahy na dia bitika aza dia ray aman-drenin' olona. [2.165]
Malagasy interpretationTsy hotronina toy ny ramy, ary tsy rangaina toy ny ramiavona; fa izay manam-panahy, na dia kely aza, dia ray aman-drenin' olona. + Ramy sy ramihavona: karazan-kazo. [2.165]

Index