Index

Proverbs : maditra

Proverb 1Andriamatoa no hendry ka Ifaralahy maditra no tian-dray sy reniny. [2.558 #233]

Proverb 2Aza toy ny zaza maditra : derain-tsy faly, tezeran-tsy matahotra. [2.415 #14, 2.653 #715]
French translationNe faites pas comme les enfants difficiles et têtus : les éloges ne les gagnent pas, les menaces ne les effraient pas. [2.415 #14]

Proverb 3Fifaliana very sasaka hoatry ny manan-janaka maditra. [2.558 #1166]

Proverb 4Iri-mahory, tahaka ny zaza adala. [2.653 #1145]
Iri-mahory tahaka ny zaza maditra. [2.558]

Proverb 5Malemy maditra karaha hozatr’ aomby. [1.147 #M72]

Proverb 6Masiaka be ronono, maditra niampidera tandroka, fa raha tonga ny vilona manaiky ho fatorana. [2.558]

Proverb 7Ny tsy an-trano reny no lazain-ko maditra dia ny renikely no mpiampanga lainga. [2.558 #3339]

Proverb 8Raha maditra ala-nify, dia ho sosona no iafarany, ary raha tezitra anarina dia ho very ihany. [2.558 #3598]

Proverb 9Tsy mba ny omby maditra ho folahina, fa ny reniomby teren-tsy mirohy. [2.165 #1358, 2.558 #4558]
French translationCe n' est pas (comme) un bœuf têtu qu' il faut dresser, mais (comme) une vache qui se laisse traire sans être attachée. [2.165]

Index