Index

Proverbs : hanoanana

Proverb 1Maivana tsy zaka hoatry ny hanoanana. [2.415 #2511]
Maivana tsy zaka, ohatra ny hanoanana. [2.653, 2.974]
Maivan-tsy zaka ohatra ny hanoanana. [2.558, 1.1]
Malagasy interpretationMahatsiaro ho tsy misy na inona na inona ny kibo ka maivana, nefa tsy zaka kosa satria reraka ny tena; enti-milaza zavatra roa toa mifanohitra, vokatry ny anton-javatra iray ihany. [1.1]
French translationC' est un manque de poids bien lourd à porter que la faim. [2.415 #2511]
Léger mais insupportable, comme la faim. [2.974 #365]

Proverb 2Ny hanoanana no mahavery lambo. [2.415 #2544]
French translationC' est la faim qui cause la perte du sanglier. [2.415 #2544]
French interpretationLa faim est mauvaise conseillère. [2.415 #2544]

Index